Aina lyrics

by

Zay


Tsy taitra intsony ianao raha lazaina
Fa sarobidy loatra ny Aina
Fa tsy mbola nisy afaka nividy
Na nihevitra azy ho azo amidy
Fanomezan-Janahary
Ka mendrika ny ho karakaraina
Sy

Ref : Ho ajaina e, ilay Aina
Mendrika ho ajaina e, ilay Aina

Izy no nifampazaraina
Ka nampisy ahy, nampisy anao
Fototry ny fahatsapana
Fa mbola misy iza rehetra izao
Fanomezan-Janahary
Ka mendrika ny ho karakaraina
Sy

Ref : Ho ajaina e, ilay Aina
Mendrika ho ajaina e, ilay Aina
A B C D E F G H I J K L M N O P Q R S T U V W X Y Z #
Copyright © 2012 - 2021 BeeLyrics.Net